John 7

1Taorian’ireo zavatra ireo Jesosy dia nandeha tany Galilia, fa tsy te-ho any Jodia anefa Izy noho ireo Jiosy mitady hamono Azy. 2Ary efa akaiky ny andro firavoravoan’ny Jiosy ny Tabernakely.

3Noho izany ireo rahalahiny niteny taminy hoe: “Mialà amin’ity toerana ity ary mandehàna any Jodia, mba hafahan’ireo mpianatrao mahita ireo asa ataonao ihany koa. 4Tsy misy olona manao zavatra miafina izany raha izy tenany ary te-ho fantatra ampahibemaso. Raha manao ireo zavatra ireo ianao, dia misehoa amin’izao tontolo izao.”

5Fa na ireo rahalahiny aza tsy nino Azy. 6Noho izany Jesosy niteny azy ireo hoe: “Mbola tsy tonga ny fotoako, fa ny fotoanareo kosa dia vonona lalandava. 7Tsy afaka ny hankahala anareo izao tontolo izao, fa Izaho no halany satria manambara fa ratsy ireo asany.

8Ianareo miakara any amin’ny firavoravoana; fa Izaho kosa tsy handeha amin’izany satria tsy mbola tonga ny fotoako.” 9Taorian’ny nitenenany ireo zavatra ireo azy ireo, dia nijanona tao Galilia Izy.

10Fa rehefa niakatra tany amin’ny firavoravoana ireo rahalahiny, dia niakatra tany ihany koa Izy avy eo, tsy nisehoseho fa niafina. 11Nitady azy tany amin’ny firavoravoana ireo Jiosy ary niteny hoe: “Aiza Izy?”

12Nisy resaka be dia be momba Azy teo anivon’ireo vahoaka. Ny sasany milaza fa: “Lehilahy tsara Izy.” Ireo hafa miteny hoe: “Tsia, mitarika ny vahoaka any amin’ny fahaverezana Izy.” 13Ary tsy nisy sahy niresaka ampahibemaso momba Azy nohon’ny fatahorana ireo Jiosy.

14Rehefa nisasaka ny firavoravoana, dia niakatra tany amin’ny Tempoly Jesosy ary nanomboka nampianatra. 15Avy eo dia gaga ireo Jiosy, manao hoe: “Ahoana no hahaizan’io lehilahy io izany rehetra izany? Izy tsy mba nandalo fianarana mihintsy.” 16Jesosy namaly azy ireo ary nanao hoe: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa avy amin’Izy izay naniraka Ahy.

17Raha misy olona maniry hanao ny sitrapony, dia hahafantatra momban’io fampianarana io izy, na avy amin’Andriamanitra izany, na Izaho no miteny avy amin’ny tenako. 18Na iza na iza miteny avy amin’ny tenany dia mitady ny voninahitry ny tenany manokana, fa na iza na iza mitady ny voninahitr’izay naniraka azy, dia io olona io no marina, ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminy.

19Tsy nomen’i Mosesy anareo ve ny lalàna? Kanefa tsy misy aminareo mitandrina ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?” 20Namaly ny vahoaka hoe: “Ianao dia misy demonia. Iza koa no mitady hamono anao?”

21Jesosy namaly ka niteny azy ireo hoe: “Asa iray no nataoko, ary dia gaga noho izany avokoa ianareo. 22Nomen’i Mosesy ny famoràna ianareo (tsy hoe avy amin’i Mosesy izany, fa avy amin’ireo razana), ary amin’ny Sabata dia mamora olona ianareo.

23Raha amin’ny Sabata no amoràna ny olona mba tsy ho voadika ny lalàn’i Mosesy, dia nahoana ianareo no tezitra amiko raha nanasitrana tanteraka olona iray tamin’ny Sabata Aho? 24Aza mitsara amin’ny endrika ivelany, fa mitsarà am-pahamarinana.”

25Nisy sasany tamin’ireo avy any Jerosalema niteny hoe: “Tsy ity ve ilay tadiavin’izy ireo ho vonoina?” 26Jereo, miresaka miharihary Izy, ary tsy misy miteny na inona na inona Azy izy ireo. Dia ho fantatrin’ny mpitondra tokoa ve fa Izy no Kristy, sa ahoana? 27Efa fantantsika hoe avy aiza io lehilahy io. Fa rehefa tonga ilay Kristy, dia tsy hisy hahafantatra hoe avy aiza Izy.”

28Avy eo nihiaka mafy Jesosy tao an-Tempoly, nampianatra ary niteny hoe: “Ianareo dia samy mahafantatra ny tenako ary mahalala ny fihaviko. Tsy tonga nohon’ny tenako manokana Aho, fa ilay naniraka Ahy dia marina, ary tsy fantatrareo Izy. 29Fantatro Izy satria Izaho dia avy aminy ary Izy no naniraka Ahy”.

30Niezaka ny hisambotra Azy izy ireo, fa tsy nisy naninji-tanana taminy satria tsy mbola tonga ny fotoany. 31Kanefa maro tamin’ireo vahoaka no nino Azy, ary hoy izy ireo hoe: “Rehefa tonga ilay Kristy, moa hanao famantarana maro noho ny vitan’io lehilahy io ve Izy?” 32Nandre ny vahoaka nibitsibitsika ireo zavatra momban’i Jesosy ireo ny Fariseo, ary ny lohan’ny mpisorona sy ireo Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha hisambotra Azy.

33Hoy Jesosy avy eo hoe: “Kely sisa ny fotoana hiarahako aminareo, dia handeha ho any amin’ilay naniraka Ahy Aho. 34Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita Ahy; izay halehako, tsy ho azonareo aleha.”

35Noho izany ireo Jiosy dia nifampiresaka hoe: “Fa handeha ho aiza io lehilahy io no tsy ho vitantsika ny hitady Azy? Handeha ho any amin’ireo izay niparitaka nakany amin’i Grika dia hananatra ireo Grika ve? 36Ary inona ny dikan’ny teny nolazainy hoe: ‘Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita Ahy; izay haleako, tsy ho azonareo aleha’?”

37Ary tamin’ny farany, andro lehibe amin’ny firavoravona, dia nitsangana Jesosy ary niteny mafy, manao hoe: “Raha misy mangetaheta, avelao izy hanatona Ahy ary hisotro. 38Izay mino Ahy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina, dia hikoriana avy ao an-kibony ny onin’ny rano velona.”

39Fa izao no ambarany momban’ny Fanahy, ireo izay nino Azy no handray; ilay Fanahy dia tsy mbola nomena satria tsy mbola nahazo voninahitra Jesosy.

40Ny sasany tamin’ireo vahoaka, rehefa nandre ireo teny ireo, dia niteny hoe: “Ity tokoa ilay mpaminany.” 41Ireo hafa nilaza hoe: “Ity ilay Kristy.” Fa ny sasany niteny hoe: “Fa angaha Kristy avy any Galilia? 42Tsy voalazan’ny Soratra Masina ve fa Kristy dia ho avy amin’ny taranak’i Davida ary avy ao Betlehema, ilay tanàna izay nisy an’i Davida?”

43Ka nisy fizarana teo amin’ny vaohaka noho Izy. 44Ny sasany tamin’izy ireo te-hisambotra Azy, fa tsy nisy naninji-tanana taminy.

45Avy eo ireo mpiandry raharaha niverina tany amin’ireo lohan’ny mpisorona sy ireo Fariseo, izay nilaza tamin’izy ireo hoe: “Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?” 46Namaly ireo mpiandry raharaha hoe: “Tsy mbola nisy niresaka tahaka izany mihintsy.”

47Noho izany ireo Fariseo namaly azy ireo hoe: “Voafitaka ihany koa ve ianareo? 48Moa nisy tamin’ireo mpanapaka mba nino Azy, na tamin’ireo Fariseo? 49Fa ireo vahoaka ireo dia tsy mahalala ny lalàna, voaozona ireo.”

50Nikodemosy (iray amin’ireo Fariseo, izay tonga mialoha teo aminy), nilaza hoe: 51“Moa ve ny lalàntsika mitsara olona mialohan’ny handrenesana azy ka ahafantarana izay nataony?” 52Namaly izy ireo ary niteny taminy hoe: “Avy any Galilia koa angaha ianao? Mikaroha ary jereo fa tsy misy mpaminany avy any Galilia.”

(Fanamarihana: Ny dika-teny taloha tsara indrindra dia tsy ahitana ny Jaona 7: 53-8: 11) [Avy eo ny tsirairay nankany an-tranony avy.

53

Copyright information for PltULB